INTOSAI-Entwicklungsinitiative

Unterstützung effektiver, rechenschaftspflichtiger und integrativer Oberster Rechnungskontrollbehörden

Madagaskar – Tetikasa TANTANA

Ny Fitsarana Momba New Kaonty eo anivon'ny Repoblikan'i Madagasikara dia mametraka tetikasa hanamafisana ny fahaiza-manaony mba hanatsarana ny fampiasana ny volam-bahoaka. Izany tetikasa izany, dia nomena ny anarana hoe TANTANA, vatsian'ny vondrona Amerikana ho an'ny fivoarana manerantany (USAID) ary tohanan'ny IDI (Ezaka fampivoarana ny INTOSAI) miaraka amin'ny Fitsarana momba ny Kaonty any Frantsa, sy Maraoka ary Norwezy.  

Ny teny hoe TANTANA dia mampahatsiahy ny fitanantanana tsara, fa koa raha alavaina amin'ny teny anglisy dia midika hoe „Transparenz und Rechenschaftspflicht durch Prüfung der Volkswirtschaftlichen Gesamtrechnungen“, izany hoe Fangaraharana sy Fandraisana andraikitra amin'ny alalan'ny fitirihana ny kaonty nasionaly.

Ny tanjona amin'ny TANTANA dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon'ny Fitsarana momba ny Kaonty ary koa ny hanohanana azy hametraka tsara ny drafitra stratejikany ary hahatratra ireto vokatra manaraka ireto :

  1. Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamporisika ny fahitsiana, ny fandraisana andraikitra ary ny fangaraharan'ny sampan-draharaham-panjakana, manaraka ny laharam-pahamehan'ny Fanjakana.
  2. Ny asan'ny Fitsarana momba von Kaonty dia azo atokisana, hita maso ary misokatra ho an'ny sarabambem-bahoaka.
  3. New Fitsarana Momba New Kaonty Dia Mamporisika New Fomba Fiasa Mangarahara sy mahomby mba hahatonga azy ho andrim-panjakana filamatra.

Noho izany io tetikasa io dia mandray anjara amin'ny Tanjona Fampivoarana Maharitra SDG16 (Fandriam-pahalemana, Fahamarinana ary Andrim-panjakana Matanjaka), izay mikendry ny hahatonga ny andrim-panjakana handaitra, handray andraikitra ary tsy manavaka. Manampy koa izy io hahatratrarana ny SDG5 (Fitovian'ny lahy sy ny vavy ary Fampaherezana ny vehivavy) amin'ny alalan'ny fomba fiasa mampitovy lenta ny lahy sy ny vavy. Farany, io tetikasa io dia mikendry koa ny fampiharana ny fototra, rafitra ary fehin'ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony INTOSAI eo anivon'ny Fitsarana momba ny Kaonty.

TANTANA dia antenaina fa hitondra tombontsoa ho an'ny olom-pirenena madagassische satria ny fitirihana tsara kokoa dia hampahatanjaka kokoa ny fitantanam-bolam-bahoaka sy ny raharaham-panjakana.

Prüfer des Rechnungshofs prüfen die Wirksamkeit von Sozialprogrammen, die von der madagassischen Regierung nach der COVID-19-Pandemie eingeführt wurden (Juni 2021)

Mpanao fitsirihana avy any amin'ny Fitsarana momba ny Kaontin'I Madagasikara, manadihady momba ny fandairan'ny fandaharan'asa sosialy nentin'ny fanjakana Malagasy hiadiana amin'ny valanaretina COVID-19. (Jona 2021) 

Antontanisa momba an'ny TANTANA

5

Taona no faharetan'ny tetikasa (2020-2025)

4

tapitrisa USD no famatsiam-bola nomen'ny USAID

7

ny vokatra kendrena:

  1. Manan-danja ho an'ny firenena ny fitsirihana atao ary manaraka sy taterina araka ny ISSAI (tafiditra anatin'izany ny fitsirihana momba ny COVID-19, fitovian'ny lahy sy ny vavy, fitrandrahana, angovo, fitantanam-bolam-panjakana, fanapariaham -pahefana, tontolo iainana, sns)
  2. Mihatsara sy miha-mandaitra ny fitarana ny kaonty, iaraha-miasa akaiky amin'ny Fitsarana ara-bola.
  3. Mivoatra ny rafitra ara-dalàna, ary atanjahina kokoa ny fahaleovan-tenan'ny andrim-panjakana sy ny fizakan-tenany ara-bola.
  4. Mihatsara ny fifandraisana ivelany, anisan'izany ny serasera miaraka amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Fanjakana, ny Fikambanan'ny fiaraha-monim-pirenena ary ny mpanao gazety.
  5. Matanjaka kokoa ny fitantanana stratejika sy ny rafi-pitantanana anatiny fototra.
  6. Ny fitaovana nomerika dia ampiasaina hanatsarana ny kalitaon'ny fitirihana ary hampandaitra kokoa ny rafitra sy fandaminana.
  7. Ampy ny isan'ny mpiasa (lahy sy vavy) mahay ary maharisika, ary misandratra ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny fahasamihafana.
3

ny andrim-panjakana fanamamarinam-bola faratampony (SAI) iaraha-miasa

Ireo SAI telo ireo dia manohana ny tetikasa amin'ny alalan'ny mpiasa ambony, manam-pahaizana sy fahalalana:
  • Fitsarana momba ny Kaonty ua Frantsa
  • Fitsarana momba ny Kaonty ua Maraoka
  • Biraon'ny mpanao fitirihana Jeneralin'ny Norvezy
Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina, Filoha voalohan'ny Fitsarana momba ny Kaontin'ny Repoblikan'i Madagasikara, ary Atoa HERISON Olivier Ernest Andriantsoa, ​​Mpampanoa Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakan'i Madagasikara.
Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina, Filoha voalohan'ny Fitsarana momba ny Kaontin'ny Repoblikan'i Madagasikara, ary Atoa HERISON Olivier Ernest Andriantsoa, ​​Mpampanoa Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakan'i Madagasikara.

„Mendrika Fitsarana momba ny Kaonty mahaleo tena, hita maso ary azo atokisana ny vahoaka madagassisch. Ankehitriny dia mampatanjaka ny andrim-panjakanantsika isika, mba hatoky tena tanteraka ny firenena momba ny fitantanana ny volam-bahoaka.“

Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina. Filohan'ny Fitsarana momba ny Kaontin'i Madagasikara.

„Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia tsy maintsy miasa faingana, amin'ny fomba mirija, mandray andraikitra, mandaitra ary mahitsy ho amin'ny ady atao amin'ny kolikoly sy ny fahantrana. Izany dia ho fandraisana anjara amin'ny fampivoarana ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena.“

Atoa Olivier Ernest Andriantsoa Herison. Mpampanoa Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakan'i Madagasikara.

Ny tetikasa dia ampahany amin'ny fandaharan'asa lehibe sy maharitra kokoa atao Hacke „Partenariat d'Appui Accéléré par des Pairs - Accelerated Peer-Support Partnership (PAP-APP)” izany hacke fiaraha-miasa amin'ny tantsoroka faingana avy amin'ireo mitovy asa, izay mikendry ny hampivoarana ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony misedra fahasarotana.

Fifanarahana ist eine Tatitry ny tetikasa

Tahirin-kevitra tohanan'ny tetikasa

Eto no ahitana ny tahirin-kevitra sy fampahalalana momba ny tetikasa fanohanan'ny mitovy asa ho an'i Madagasikara tamin'ny 2018-2020 (amin'ny teny Anglisy).

Raha te-hahalala bebe kokoa, dia manorata amin'ireto manaraka ireto:

Fampahalalam-baovao momba an'i Madagasikara (amin'ny teny Anglisy)